Ry Namako, raiso ny fiadanan’Andriamanitra
Hoy Jesosy aminao : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” (Jaona 14.27)
Jesosy no fiadananao. Tahaka ahy, dia fahavalon’Andriamanitra ianao taloha , tamin’ny fisainana, tamin’ny zavatra natao, tamin’ny fiteny, fa tonga Jesosy nampihavana anao tamin’ny Ray.
Zavatra mahafinaritra be ny mihavana amin’ny Ray. Fanafahana izany. Voavela ny helokao. Olona afaka ianao no miadana. Sady feno hafaliana no feno fiadanam-po !
Io fiadanam-po io no tena nanaitra ahy rehefa niditra tamin’ny fiainako Jesosy. Afaka aho, voavela ny heloko. Niala ny tebiteby.
Tsy indray andro ihany no hisian’ny fiadanana. Mbola navelany ho anao izany androany, mbola omeny anao izany androany. Avelao izany hameno anao…Hoy ny Baiboly hoe…
“…Fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra… Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4.6-7)
Raiso ny fiadanany. Izay no fahagagana angatahiko ho anao androany.