Ry namako, olona miavaka sady sarobidy ianao

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, olona miavaka sady sarobidy ianao

Manahoana ianao ry Namako,

Manao fanoharana i Max Lucado ao anatin’ny boky nosoratany hoe  : “Tu es précieux”. Nisy olona kely sary sikotra, Vémiches no aranany, nifampitsara toy izao : ny tena mahay omena sary kintana ary izay tsy dia mahay kosa omena sary boribory. Kivy tanteraka ny iray tamin’izy ireo,  Punichello no anarany, sady kely izy no sady nahazo sary boribory betsaka. Na dia niezaka mafy aza izy dia  toa tsy nahafa-po ny hafa. Lasa izy nanatona an’i Eli, ilay namorona azy, ka  nahafantatra fahamarinana lehibe.

“Nihomehy Punichello. Izaho ve dia sarobidy ? Amin’inona ary ? Tsy mahay mandeha aho, tsy mahay mitsambikina. Jereo ny lokoko fa miendaka. Maninona aho no misy vidiny aminao ?

Nijery an’i Punichello i Eli, napetrany teo amin’ny sorony ny tànany dia namaly moramora izy hoe : Satria ahy ianao. Izany no maha sarobidy anao amiko.

Tsy nampoizin’i Punichello mihitsy hoe hisy olona hijery azy toy izany, indrindra fa ilay mpamorona azy. Tsy hitany intsony izay nolazaina.”

Mety efa nitsara anao, sy nametaka anarana taminao ny olona. Efa nanao ny ezaka rehetra tokony atao koa ianao, fa tsy nahafa-po ny hafa.

Andriamanitra anefa mahita zavatra goavana ao aminao. Izy no namorona anao. Tiany ianao. Sarobidy Aminy ianao. Mahafinaritra be ianao !

Misy harena ao aminao. Olona miavaka sy sarobidy ianao !

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!