Ry Namako, nametahana anarana ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry Namako, nametahana anarana ve ianao ?

Indraindray satria ianao teraka tamin’ny toerana iray na tao amin’ny fianakaviana iray, na mitondra anarana iray, na koa tsy mitovy amin’ny hafa, dia nametahan’ny olona anarana. Misy fiatraikany be dia be amin’ny fiainantsika izany ka lasa manefy na mamaritra antsika. Izany no mahatonga ny olona miteny hoe… vendrana aho. Tsy mahay na inona na inona aho. Sns.

Efa nihatra taminao ve izany ? Te hizara aminao hevitra vitsivitsy aho, izay raha raisinao dia mety hanova ny fiainanao ary hanala izany hevi-diso izany.

  • 1- Tsy izay lazain’ny olona momba anao no marina. Ny maha-izy anao dia ny hoe zanak’Andriamanitra, mpandova, naman’i Kristy.
  • 2- Sarobidy ianao. Faly Andriamanitra rehefa mijery anao satria mijery anao sahala amin’ny fijeriny an’i Jesosy zanany Izy. Fitiavany sy fifaliany ianao.
  • 3- Tsy ny lasanao no mamaritra ny ho avinao. Voavela ny helokao. Niala ny fanamelohana nitambesatra teo amin’ny fiainanao. Planina manokana no nomanin’Andriamanitra ho anao. Afaka hiditra ary tena hiditra amin’izany ianao.
  • 4- Tsy mbola tara. Hitantsika ao anaty Baiboly fa nitahy an’i Abrahama sy Saraha Andriamanitra. Tsy mbola nanan’anaka izy, fa nino kosa an’Ilay miantso ny tsy misy ho toy ny misy.

Ambarao amin’ny finoana : Zanak’Andriamanitra aho, misy vidiny lehibe aho, tsy ny lasako no mamaritra ny hoaviko ary mbola tsy tara ny zava-drehetra ! Mbola tsy nilaza ny Teniny farany Andriamanitra… Hihoarako avokoa izany amin’ny anarana maherin’i Jesosy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!