Ry namako, mitrakà
Manahoana ianao ry Namako,Nodimandry tamin’ny taona 2015 ny vadin’i Anne Graham Lotz, zanak’i Billy Graham. Olon’Andriamanitra niavaka i Danny, 78 taona. Efa ela be izy no narary ary noho izany, tsy afaka nandao azy firy intsony i Anne, mpitory filazantsara malaza (toy ny rainy), fa voatery nijanona teo anilany.67 taona i Anne fa tena mbola feno hery hanompo an’i Jesosy.Zaraiko aminao ny zavatra nosoratany tamiko tamin’izany fotoana izany fa inoako fa hampahery anareo izay mety mandalo fahoriana na fizahan-toetra izany.Ho an’i Eric,Misaotra noho ny vavaka sy ny fampaherezanao ahy. Tsy misy teny mahalaza ny fiadanam-po sy ny fifaliana nomen’Andriamanitra ahy. Fitahiana hanampy fitahiana koa no narotsany tamiko hatramin’izay nahalasan’i Danny izay.Ity andinin-tsoratra masina ity no nampahery ahy : Isaïa 25.1 : “Jehovah o, Andriamanitro Hianao, Hanandratra Anao sy hidera ny Anaranao aho. Fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, Dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra.”Mino aho fa manantanteraka ny fikasàny Andriamanitra ary anisan’izany ny fialàn’i Danny teto an-tany.Midera an’Andriamanitra foana aho na dia malahelo an’i Danny aza. Mitràka aho, mijery ny lanitra amin’ny ranomaso fa amin’ny fo feno fanantenana.Anne.Ry Namako, mitrakà. Na dia kotsan-dranomaso aza ny tavanao, tazony ao am-ponao ny fanantenana. Afaka ovain’Andriamanitra ho fitahiana io atrehinao io. Miara-miasa ahasoa anao ny zava-drehetra.Omen’Andriamanitra anao anie ny fiadanam-pony. Tsy mbola tapitra ny tantaranao!Tahin’Andriamanitra manokana ianao!
