Ry namako, mihaino ny vavakao Andriamanitra
Manao ahoana ianao ry Namako,Matetika rehefa mivavaka isika dia tsy manana antoka hoe mihaino antsika na koa hoe hamaly vavaka antsika Andriamanitra. Nefa raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia azontsika izay nangatahantsika. Izany no lazain’ny Tenin’Andriamanitra…
“Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.” (Ny Baiboly, 1Jaona 5.14-15)
Ahoana ary no hahafantarana ny sitrapony ? Amin’ny famakiana ny Baiboly sy amin’ny fivavahana mandrakariva. Te hanana fifandraisana marina sy lalina aminao Andriamanitra. Ary amin’izany, haneho aminao ny sitrapony Izy mba hanantanterahanao azy.
Raha mora toy izany aza, maninona no toa tsy maheno anao ny lanitra indraindray… Mazava ho azy fa tsy refesi-mandidy Andriamanitra ary ny tsy famaliany eo no eo tsy midika fa minia tsy mamaly Izy na nanapa-kevitra ny tsy hijery anao satria tsy mampaninona Azy ny manjo anao. Indraindray, tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana mahamety. Ny azo antoka dia tsy mivadika ny Andriamanitrao ary tsy manadino anao.
Ry Namako, manaiky hivavaka miaraka amiko ve ianao ? “Tompo o ! Manaiky ny teninao aho izay milaza fa raha mivavaka araka ny sitraponao aho dia hamaly ahy tsara Ianao. Noho izany, hampahafantaro ahy ny fanirianao ho an’ny fiainako, mba hahafahako mizotra amin’ny làlana nofidianao ho ahy ka hanantanterahako feno izay rehetra niantsoanao ahy. Amin’ny anaran’i Jesosy zanakao, Amena.”
Misaotra fa misy ianao !