• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 10, 2023

Ry namako, mbola tia anao Andriamanitra

Andro namoahana Jan 10, 2023

Manahoana ianao ry Namako,Indraindray ny tranga atrehintsika dia mitady hampisalasala antsika ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra: ny fandroahana amin’ny asa tsy nampoizina, ny fanalam-baraka imasom-bahoaka, ny fahotana toa miverimberina, ny fahadisoam-panantenana goavana, ny aretina, ny loza….Dia indro isika misaina fa “matoa izao mitranga satria mendrika ahy angamba izao…..satria tsy tian’Andriamanitra angamba aho….”. Tena lavitry ny fahamarinana izany ry Namako. Raha misy fotoana ianao misaina toy izany dia esory malaky izany lainga izany.Satria tian’Andriamanitra ianao, ary tsy misy tranga izay handrava izany fahamarinana goavana izany: "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Vakio Romana 8.38-39.)Inoy izany: tsy misy ary tsy hisy hanasaraka anao amin’ny fitiavany anao izany..! Na inona na inona ataonao, na misy anao….Tia anao foana Andriamanitra. Tsy misy afaka manala ny fitiavan’ny Ray anao. Tsy misy afaka manasaraka anao amin’izany na :● Ny tahotrao● Ny fisalasalanao● Ny aretinao● Ny famitahan’ny vadinao, na ny namanao na ny mpiara-miasa aminao● Ny fahasarotana ara-bolanaoTSY MISY ahasaraka anao amin’ny fitiavan’Andriamanitra anao!Eny tokoa, mahazoa toky fa tsy misy afaka hamarana izany fitiavan’Andriamanitra izany, izay tsy misy fiandohana no tsy misy fiafarana. Mandrakizay Andriamanitra, torak’izany koa ny fitiavany anao…..!Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko: “Tompo ô, tsy ho ampy ny fisaorako anao noho ny fitiavanao, ny fahalemem-panahinao, ny faharetanao noho ny amiko. feno fifaliana aho mahafantatra fa tsy misy afaka mandrava ny fitiavanao ahy…..tsy misy mahasaraka antsika. Ampianaro aho hitoetra tsy lavitra anao, ho akaikin’ny fonao……Mba handrenesako ny feonao, ka hitarihanao ny diako. Amin’anaran’i Jesosy. Amen”Misaotra fa misy ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.