Ry namako, manova ny tany efitra ho saha maitso Andriamanitra
Manao ahoana ianao ry namako,
Ny tohin’ny Salamo faha- 107 dia manambara amintsika bebe kokoa hoe iza no Andriamanintsika.
Rehefa miaraka Aminy dia tonga rano monina ny efitra ary loharano ny tany karankaina.
“Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.” (Salamo 107:35-38)
Any Israely, eo akaikin’ny Ein Gedi dia misy toerana iray miavaka ary tena tiako ny makany. 50 taona lasa io toerana io dia mbola taniefitra karankaina. Nisy lehilahy iray nanana fahitana namboly hazo teo sy namorona fomba fanondrahana vaovao (efa ampiasaina maneran-tany amin’izao fotoana izao). Androany, raha mankany ianao dia hahita zaridaina botanika mahatalanjona. Tsy takatry ny sainao hoe nanahoana io toerana io taloha. Ka raha olombelona aza nahavita izany, maika fa Andriamanitra Tsitoha !
Mivavaka aho, amin’ny alalan’ny “Fahagagana isan’andro” na amin’ny fomba hafa, fa indrindra amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, mba hanondraka sy hanova ny fiainanao Andriamanitra ka ho tonga zaridaina mahafinaritra izany ! Manangàna, mamafàza, mamboleha, miotaza, … ho tahiana ianao ary ho fitahiana ho an’ny hafa koa !
