Ry namako, manomana fandresena maro ho anao andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, manomana fandresena maro ho anao andriamanitra

Manahoana ianao ry Namako,

Samy mandalo amin’ny lohasaha isika indraindray (toy ny aretina, fijaliana, olana ara-bola, alahelo, fanilikilihana, olana amin’ny fianakaviana, fahantrana, fahaverezan’asa…) fa mba tsikaritrao ve fa ireny lohasaha ireny no mitondra anao any amin’ny fara-tampony ?

Aza manahy ary raha mandalo amin’ny lohasaha. Hifarana tsy ho ela izany. Miaraka aminao ny Mpamonjy anao. Avelao Izy hanome toky anao anio : Miaraka aminao Aho… Tiako ianao… Mitarika anao Aho… Mikarakara anao Aho… Tsy mandao anao Aho… Tsy manary anao Aho.

Ao ambadiky ny lohasaha, manomana zava-baovao miezinezina ho anao Andriamanitra, fandresena vaovao sy tontolo vaovao hafa mihitsy, izay tsy azonao eritreretina akory androany.

Inoako tanteraka izany, ary miombona finoana sy vavaka aminao aho amin’izany.

Tahin’Andriamanitra ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!