Ry namako, mandalo tafiotra ve ianao amin’izao fotoana izao ?
Mandalo tafiotra ve ianao amin’izao fotoana izao ? Ao anatin’ny Salamo 107 dia te hampahery anao aho mba hino fa Andriamanitra dia afaka, te sy hampitsahatra ny tafiotra eo amin’ny fiainanao!
“Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ny rano lehibe No mahita ny asan’i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ny rano lalina.” (and 23-24)
Ny tafiotra dia sehatra iray ahafahana mahita an’Andriamanitra miasa. Ny mpianatra dia nahalala tafiotra. Ny Apostôly Paoly dia nahalala tafiotra (Asan’ny Apostôly 27). Ary nanehoan’Andriamanitra fahagagana foana izany. Ary raha ny tafiotra anao anio no ho lasa fijoroana vavolombelona tsara indrindra rahampitso ?
“Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ny fahatereny Izy. Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; Niakatra hatramin’ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.” (and 25-28)
Sarotra rehefa tafiditra anaty tafiotra : miakatra, midina ary mieritreritra fa izao no farany. Rava ny fanantenana. Ny talentantsika toa lasa ohatra ny tsy misy ilàna azy intsony… Fa afaka miantso vonjy amin’ny Tsitoha ianao. Hanafaka anao amin’ny tahotrao Izy.
“Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” (and 29-31)
Teny iray avy amin’i Jesosy dia nangiana ny tafiotra (Marka 4.39). Tsy nisy feo intsony, tsy nisy onjan-dranomasina, tsy nisy tabataba intsony, fa nitony tsara ny andro. Fifaliana sy fiderana sisa no nisy teo.
Mivavaka aho mba hotarihin’Andriamanitra ho an’ny amin’ny seranana irianao ianao Ry namako. Mba homeny anao ny fitoniana ao aorianan’ny tafiotra. Izany no fahagagana izay angatahako ho anao, raha izay no ilainao.