Ry namako, mandalo Jesosy anio, aza matahotra ny hanelingelina azy.
Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy (Marka 10:49)
Izany no nolazain’ilay olona tamin’ i Bartimeo (zanak’i Timeo), ilay jamba mpangataka.
Efa ren’ io lehilahy fa handalo i Jesosy ary naniry izy ny hanaovan’ i Jesosy fahagagana.
Nampangina azy ny olona nefa vao maika niantsoantso mafy kokoa izy nanao hoe: “Ry Jesosy zanak’ i Davida o, mamindrà fo amiko”
Inona no tianao hataoko aminao? Hoy Jesosy taminy. Tsy efa mazava be ve ny zavatra hangatahiny? Eny, fa tian’i Jesosy izy no hangataka Aminy sy hanambara izany eo am-bavany.
“Mpampianatra o, ny mba hampahiratanao ny masoko” hoy Bartimeo.
“Ary niaraka tamin’izay dia nahiratra ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dàlana izy.”
Mandalo Jesosy androany. Mandalo ao an-tranonao Izy, mandalo eny an-tànananao. Eny, mandalo eto an-tanindrazanao Izy anio.
Ry Malagasy namana, mahatsapa fanilihina ve ianao? Misy aretina mampijaly anao ve?Tsy manana asa na trano mendrika ve ianao?…Aza matahotra ny hanelingelina Azy sy hangataka Aminy ny fahagagana ho anao. Manàtona Azy. Afaka manao na inona na inona Izy.
Mahereza ry zanako fa miantso anao Izy. Raiso ny fahagagany ho anao amin’ity andro anio ity.