• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 12, 2023

Ry namako, manana drafitra tsara ho amin’ny fiainanao Andriamanitra.

Andro namoahana Mar 12, 2023

 

“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.” Jeremia 29.11

Azonao an-tsaina ve izany ? Manana hevitra tsara ho amin’ny fiainanao Andriamanitra.

Indraindray rehefa ao anatin’ny ady, ny fahasarotana, ny tomany, ny aretina, dia tena sarotra ny hino izany.

Fa manasa anao aho hanambara izany miaraka amiko anio Ry namako. Manana hevitra tsara ho amin’ny fiainako Andriamanitra, hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza. Tia ahy Andriamanitra. Maniry ny tsara indrindra ho amin’ny fiainako Izy.

Tao anatin’ny fisavorovoana, dia nilaza Joba hoe : “Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.” Joba 19.25

Tahaka ny hoe : Haiko fa ny Mpamonjy ahy, Jesosy (Andriamanitra mamonjy), dia velona ary hiasa eo amin’ny fiainako. Hanome ahy fiainana indray Izy ary hiditra an-tsehatra amin’izao zavatra atrehako izao

Hamonjy anao anie Jesosy tsy amin’ny fahotana irery ihany, fa amin’ny aretina koa, ny fanaintainana, ny tsy fahombiazana, ny alahelo, ny fahanginana… Izy no Mpamonjy, omaly anio ary ho mandrakizay.

Andao hanambara miaraka amin’i Jeremia 17.14 hoe : “Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.