Ry namako, mahery sy tsitoha ho anao Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, mahery sy tsitoha ho anao Andriamanitra

Manahoana ianao ry Namako,

Taratasy iray mahafinaritra nalefan’i Pascaline, mpamaky tsy tapaka ny ”Fahagagana Isan’Andro” no hozaraiko aminareo fa nahatonga ahy hidera an’Andriamanitra, raha sahiran-tsaina aho indray andro.

Misaotra noho ny fisianao Jesosy o ! Fa ao Aminao ny zavatra ilainay rehetra : ny fahasoavana, ny famelana ny helokay rehetra, ny famonjena sy ny fanantenana. Misaotra Jesosy o! Misaotra tamin’ny nanangananao ahy sy ny nanaovanao ahy ho mahatahotra sy mahatalanjona.

Tsy nilaza akory ianao fa hilamina foana ny fiainanay, fa nanome toky kosa ianao fa ho eo anilanay hatrany na misy tafiotra na aretina, na misy zava-tsarotra sy fizahan-toetra. Midera Anao aho fa mahatoky ianao ary mihavao aminay isan’andro ny hatsaranao.

Andriamanitra lehibe, mahery sy tsitoha ianao. Mankasitraka Anao aho ny amin’ny zavatra rehetra hataonao eo amin’ny fiainako. Tsy tambo hisaina ny antony hiderako sy hiankohofako Aminao fa tsy misy ny toa Anao, ry Andriamanitro o !

Mahafinaritra be o ? Ndao hidera Azy. Mety ny mangataka Aminy… fa tsara lavitra ny midera Azy amin’ny teny tsotra, ohatra : Mankasitraka Anao aho ny amin’ity anio ity… Misaotra Anao aho ny namelanao ny heloko… Midera Anao aho noho ny fahalebiazanao… Misaotra anao aho noho ny nametrahanao ahy eto Madagasikara… Mankasitraka anao aho fa mbola velon’aina….sns…

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!