Ry namako, maharitra mandrakizay ny Fitiavany anao…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, maharitra mandrakizay ny Fitiavany anao…

Androany aho dia te hizara aminao fampananantena maromaro ao amin’ny Salamo 107. Mivavaka aho mba ho marina amin’ny fiainanao ireo teny ireo tahaka ny fahatanterahany teo tamin’ny fiainako.

Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy Fa mandrakizay ny famindrampony. (and-1).
Maharitra mandrakizay ny fitiavany anao ry namako. Mankalazà Azy!

Aoka hanao izany ny navotan’i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ny tànan’ny fahavalo, (and-2). Miderà an’i Jehovah fa Izy no nanavotra sy namonjy anao teo an-tànan’ny fahavalo ry namako!
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny. Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ny fahatereny; (and-5 sy 6). Manaisotra ny tebitebinao Jehovah ry namako. Azonao atao ny mikiakiaka miantso Azy, mitady vonjy Aminy.

Dia nitondra azy tamin’ny làlana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’izay tanàna honenana. (and-7) Andriamanitra dia mitarika anao amin’ny lalana marina sy amin’ny toerana tsara ry namako.

Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! (and-8) Eny, derao Andriamanitra noho ny amin’ny Fitiavany ry namako. Mbola manao fahagagana Izy ankehitriny. Amin’ny fiainanao ny fankasitrahany.

Tsy misy anampiana, tsy misy analana. Androany dia mivavaka manokana aho mba hiaina ny fahagagana hataony ianao, mba ho tanterahin’Andriamanitra ny fanirianao satria miravoravo Aminy ianao.

Misaotra fa misy ianao,

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!