• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 28, 2022

Ry namako, jesosy no andriamanitra mahery

Andro namoahana Des 28, 2022

Manahoana ianao ry Namako,“Fa Zaza no teraka ho antsika, Ary ny anarany atao hoe Andriamanitra Mahery…” (Isaia 9).Fantatr’Andriamanitra ny herinao, fa koa ny fahalemenao. Fantany fa mila arovana ianao, toy ny lapabe tafihin’ny fahavalo… Fantany fa tsy afaka ny hahery foana ianao, ry Namako, noho izany Izy no mahery ho anao.Inona ny lafim-piainanao tsy anananao hery ?● Ilainao ve Andriamanitra hanavao ny herim-batanao ? Manome toky Izy fa hataony izany : “Mampahatanjaka ny reraka Izy, Ary izay kely hery dia omeny hery be.” (Nalaina tamin’ny Isaia 40.29)● Mila hampaherezina sy hatanjahana ara-tsaina ve ianao ? Afaka ataon’Andriamanitra ho anao izany : “Mankanesa atỳ amiko, hianao ry Namako, izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anao fitsaharana.” (Nalaina tamin’ny Matio 11.28)● Manahy ny amin’ny ho avy ve ianao, ny ho avinao na ny an’ny zanakao ? Hoy ilay Andriamanitra mahery aminao hoe : “Ry Namako, ho sambatra tokoa ianao” (Nalaina tamin’ny Jeremia 15.11)Andriamanitra mahery ny Andriamanitrao.Ho Azy ny Voninahitra !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.