Ry namako, Jehovah no mpiandry anao

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, Jehovah no mpiandry anao

Manomboka androany dia mandefa andiana mailaka momba ny Salamo 23 izahay(manasa anao aho hamaky izany). Inoako tsy hisalasalana fa fantatrao tsara ny hakanton’io Salamo io. Toy izao no hanombohany azy: “Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java mahory aho…”
Azo antoka fa ny Salamo nataon’ i Davida no tena nampahery ny ankamaroan’ny olona eran-tany.
Mivavaka aho mba ho loharanom-pitahiana miavaka ho anao ity hafatra ity sy ireo izay mbola ho avy manaraka.
Maneho an’i Jehovah-Mandrakizay, ilay Ray Tsitoha ho mpiandry azy i Davida.
Mpiandry ondry Davida talohan’ny naha mpanjaka azy. Fantany tsara ny fitiavan’ny mpiandry ondry manokana ny ondriny. Niaro ny ondriny tamin’ny liona sy ny bera izy na dia hamoizany ny ainy aza izany(Vakio I Samoela 17:34-35). Fantany fa ny mpiandry ondry dia mahalala tsirairay avy ny ondriny ary samy tiany manokana izy rehetra.
Ho azy dia tsy isalasalana fa Andriamanitra no mpiandry azy. Ilay mpiandry ondry tsara indrindra. Ilay Mpiandry ny mpiandry ondry.
Ary toy ny ondry izy, miankina amin’ny mpiandry azy. Ny ondry dia tsy manana fiarovan-tena, tsy mba manana vazana fa mahatoky ny mpiandry azy. Ary izay ihany no ilainy ho fiarovan-tena.

Hoy Jesosy: “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.” Jaona 10:10-15

Jesosy no mpiandry ondry tsara indrindra. Fantany ianao. Nanolotra ny ainy ho anao izy satria ondriny sarobidy ianao. Tena tia anao loatra Izy ry namako.

Misaotra fa misy ianao,

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!