• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 21, 2023

Ry namako, ity misy fahazarana afaka manova ny fiainanao…

Andro namoahana Feb 21, 2023

 

Manao ahoana ianao ry namako,

Ny fisaorana sy ny fahaizana mankasitraka,… dia toetra tena tsara ary mampianatra izany ny baiboly…

“Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.” (I Tesaloniana 5:18)

Hélène, namana iray, no nilaza taminay fa isan-kariva alohan’ny hatory izy dia manoratra lohahevitra telo momba ny fankasitrahana ny amin’ny tontolo androny. Fahazarana iray tena tsara izay tena afaka manova fiainana izany. Manao izany matetika aho ary manampy ahy amin’ny fametrahana ny zavatra nitranga ny tontolo andro amin’ny fomba fijery mety. Mahita antony telo tokony hisaorako aho farafahakeliny.

Manasa anao aho hanome lanja lafiny telo amin’ny fankasitrahana:- Andriamanitra : Iza Izy, ny fitiavany amin’ny maha Ray Azy, ny hatsaram-panahiny, ny asan’ny tanany, ny zava-boariny, ny fanomezany ny Zanany, ny fanatrehan’ny Fanahiny Masina,… Eritrereto ny antony ahafahanao mankasitraka Azy noho ny fisiany.- Ny hafa : ny ankohonanao, ny namanao, ireo olona rehetra izay fitahiana ho anao ary ireo izay hankasitrahanao noho ny amin’ny fisian’izy ireo eo amin’ny fiainanao.- Ianao : Noharian’Andriamanitra ianao, asany miavaka sy sarobidy. Aza manambany ny tenanao. Naniry ny fisianao Andriamanitra ary manana tanjona manokana ho an’ny fiainanao Izy. Napetrany ao anatinao ny fanomezam-pahasoavana izay tsy hananan’ny hafa. Mahaiza mankasitraka ny tenanao. Tsy midika ho fireharehana izany.

Hoy ny mpanao Salamo: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14)

Misaotra an’Andriamanitra noho ny aminao aho ry namako. Feno fankasitrahana Azy ny foko noho ny amin’ny fisianao sy ny fanirianao hiara-dalana aminy ary ho fitahiana ho an’ny hafa.

Milaza izany aminao isan’andro aho fa mbola hamafisiko izany androany..

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.