Ry namako, inona no atao hoe Fahagagana ?
Nanoratra ho ahy i George indray andro :
“Misaotra Eric noho ny amin’ny hafatrao rehetra sy ny fisahirananao. Fanontaniana iray : inona no hamaritanao ny teny hoe “fahagagana” ?
Tsara ilay fanontaniana George ! Ity no hamaritako ny teny hoe fahagagana : Izay omen’Andriamanitra rehetra dia fahagagana avokoa.
Ny Baiboly dia milaza : “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.” (Jakoba 1:17)
Misy fahasoavana sy fanomezana izany omen’Andriamanitra antsika isan’andro, izay tsy tandritsika matetika. Ohatra hoe :
Ny fiainana, ny fisiana : ny fahaterahan’ny zazakely. Talanjona foana aho rehefa manoloana zazakely. Ny fiainana dia fahagagana.
Ny andro rehetra dia fahagagana. Genesisy 1:5
Ny fahaterahana indray : Fahagagana tsara indrindra ny fahatongavana ho zanak’Andriamanitra ! (Jaona 3:4)
Ireo manodidina antsika : ny fianakaviana, ny namana, ny iray tampo ao amin’ny finoana. Fahasoavan’Andriamanitra ho antsika izy ireo.
Ny Baiboly : Ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, izay mitarika antsika ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (2 Tim 3:16).
Ny famonjena tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Isika izay mpanota, namonjy antsika Izy ary manana anjara ao amin’ny Fanjakany amin’ny finoana isika. Namonjy antsika izay mpanota teo aloha, Izy ary manana anjara amin’ny Fanjakany amin’ny finoana isika. (Efe 1:7).
Ary mbola maro hafa koa…
Misy koa ireo fitahiana, sy ireo asa mahagaga ataon’Andriamanitra. Tahaka :
Ny fanasitranana mahagaga : mamerina amin’ny laoniny ny fahasalamantsika Andriamanitra.
Ny famatsiana mahagaga : rehefa mamatsy antsika amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra.
Ireo fifandraisana mahagaga : miaraka amin’ny olona na toe-javatra izay alamin’Andriamanitra eo amin’ny lalantsika.
Ny fiainana, ny fifaliana, ny fiadanan’Andriamanitra : noho ny famelan-keloka, ny fampihavanana indray.
Ireo Teny nambarany…. Rehefa miresaka amintsika manokana Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Ny fanomezam-pahasoavana izay omen’Andriamanitra antsika izay nolazainy ao amin’ny Teniny ( 1 Korintiana 14)
Mbola misy maro koa…!
Ry namako, miainà amin’ny fahatogavan-tsaina ny amin’ireo fahagagana izay efa iainanao sy ireo izay tian’Andriamanitra iainanao anio !