Ry namako, ho avy hamonjy anao Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, ho avy hamonjy anao Andriamanitra

Manao ahoana ianao ry Namako,

Misy fanontaniana tsy mampatory anao ve ? Tena ara-dalàna ny mahatsiaro sadaikatra na very hevitra eo anatrehan’ny fizahan-toetra. Tsy mahagaga raha manontany hoe fa maninona… fa hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe :
“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.” (Jeremia 29.11)
Eo anatrehan’izany fanambarana izany, betsaka ny fanontaniana ao anatin’ny saintsika… Raha hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza no hiheveran’Andriamanitra antsika, maninona ny zanany no hiharan’ny fizahan-toetra ? Inona no anton’io aretina io ? Inona no anton’io fahafatesana io ? Maninona no feno fahantrana eto Madagasikara?Maninona no mizaka zavatra maro ny Malagasy?Maninona Tompo o ?
Marina fa ny aretina sasany, ny zava-doza mitranga… mety mampahatezitra antsika. Nefa tsy tokony ho tezitra amin’Andriamanitra isika fa amin’ny devoly, izay tsy ho avy raha tsy hangalatra, hamono, handringana. Jesosy kosa tonga hanome fiainana ny ondriny ary hanome azy fiainana be dia be. (Jaona 10.10)
Hoy ny Baiboly hoe “Maro ny fahorian’ny marina; Nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34.19)
Ary manome toky koa Izy fa “Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah Ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah Ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Ny Baiboly, Salamo 34.17-18)
Hanarina anao Andriamanitra. Ny heviny ho anao dia hevitra hitondra fiadanana. Manàna antoka ny amin’ny famonjeny ianao, ho avy hamonjy anao Izy ! Hoy ny Isaïa 41.13 hoe : “Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, Dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko… “Tompo o ! Tsy fantatro ny anton’izao zavatra lalovako izao fa misafidy ny hatoky anao aho, ary hiantehitra amin’ny herinao. Misaotra fa ho avy hamonjy ahy Ianao. Amena.”

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!