Ry namako, hetseho ny finoanao !
Ity misy fijoroana vavolombelona izay nozaraiko :
Indray andro, nisy pasiteran’ny tanora nivavaka toy izao : “Hatramin’izay nahatongavako tato amin’ity birao ity dia mbola tsy nandray antso an-tariby mihitsy aho. Na indray mandeha aza tao anatin’ny efa-taona. Kivy ny amin’ny maha pastera ahy aho, ka raha sitrakao ny hanohizako ny ministerako, dia aleo mba hisy hiantso ahy anio mba ho fitahiana ho an’ny fiainany aho.”
Tamin’io andro io dia nisy niantso izy, tanora iray mivavaka ao aminay ka nandalo tao amin’ny tanànan’io pasitera io. Nampihetsika fahagagana maro izany antso an-tariby tsotra izany.
Vavaka tsotra iray, izay mety vokatry ny fahadisoam-panantenana, fisalasalana, fanilihana… fa tena vokatry ny fo. Vavaka tsotra izay mampiseho ny fahavonana hanompo ny Tompo sy ny mba ho fitahiana ho an’ny Fanjakany. Ary henon’Andriamanitra ny vavaka nataony. Ka novaliany.
Ary maninona raha mangataka amin’Andriamanitra ianao androany mba hanao zavatra miavaka eo amin’ny fiainanao Izy ary hanao zavatra amin’ny alalan’ny fiainanao ? Ary raha milaza Aminy ianao : “Inty aho Tompo, ampiasao aho!”.. Amin’ny finoana. Na manao ahoana ny toe-javatra izay iainanao ankehitriny, ary na dia efa nivavaka ianao teo aloha fa mbola tsy nahazo valiny… Anio, mangatàha amin’Anndriamanitra mba hanao zavatra miavaka eo amin’ny fiainanao Izy ary amin’ny alalan’ny fiainanao.
Tsy ho azonao an-tsaina izay zavatra mety hitranga! Rehefa vonona hanetsika ny finoantsika isika dia mitranga ny fahagagana.