Ry Namako, hataon’Andriamanitra fitaovana hitondra fiadanana anie ianao !
Amin’izao vanim-potoana mikorontana izao, miantso anao aho hampiakatra ny vavakao sy ny finoanao. Ireto misy tenim-pitiavana mahafinaritra be nataon’i Saint-François d’Assise ho an’ny Tompo. Vetivety teo dia nampiasain’ny mpino kristiana rehetra izany vavaka izany.
Tompo o ! ampiasao aho ho fitaovana hitondra fiadanana !
Hitondra fitiavana eo amin’ny misy fankahalàna.
Hitondra famelana raha misy fahatafintohinana.
Hitondra firaisan-tsaina raha misy tsy fifanarahana.
Hitondra ny marina raha misy fahadisoana.
Hitondra finoana raha misy fanahiana.
Hitondra fanantenana raha misy fahamoizam-po.
Hitondra fahazavana raha misy haizim-pito.
Hitondra fifaliana raha misy alahelo.
Tompo o ! Tsy hitady loatra aho
Ny hampaherezina fa kosa hampahery
Ny hohenoina fa kosa hihaino
Ny ho tiana fa kosa hitia
Satria
Rehefa manome dia mahazo
Rehefa manadino ny tenanao ianao dia mahita
Rehefa mamela heloka dia voavela heloka
Rehefa maty dia velona ho an’ny fiainana mandrakizay.
Androany, hataon’ny Tompo ho fitaovana hitondra fiadanana anie ianao ry Namako.