• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 6, 2023

Ry namako, hanitatra ny fetranao Andriamanitra !

Andro namoahana Mar 6, 2023

 

y dika-teny hafa dia milaza :

“Halebiazo ny fari-taniko” (Semeur)“Halalao ny taniko” (Parole de Vie)“Hampitomboy ny fananako” (Français Courant)

Manana ny fetrantsika avy isika. Mety ho ara-batana izany, na fihetseham-po, na ara-pahaizana, ara-bola, ara-tsosialy, sns…

Fa ity misy vaovao mahafaly : Andriamanitra dia afaka manitatra ny fetranao. Afaka manome anao hery vaovao Izy, mamerina amin’ny laoniny ny fihetseham-ponao, ny fifandraisanao, manasitrana ny ratranao, manome anao fahaizana, manome anao fitahiana ara-bola sy ara-pitaovana, sns..

Mahakasika ahy manokana ity andininy ity. Miresaka ilay vehivavy momba, ary izao no nolazain’Andriamanitra azy :

“Halalaho ny ny itoeran’ny lainao, Ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona ; Halavao ny kofehinao, Ary aoreno mafy ny tsiman-dainao ; Fa hitatra ho any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao ; Ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, Ka dia hasiany mponina ny tanàna lao. Aza matahotra, fa tsy ho menatra hianao ; Ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka hianao, Fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsarovana intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.” Isaia 54.2-4

Miresaka fanitarana Andriamanitra. Jabeza dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hampahalalaka ny fari-taniny. Ary raha mangataka amin’Andriamanitra toy izany koa ianao anio ?

Mino amin’ny foko rehetra aho fa tian’Andriamanitra hiaina fiainana sambatra sy mahafapo ianao,

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.