• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 19, 2023

Ry Namako, hanao zava-baovao Andriamanitra

Andro namoahana Apr 19, 2023

 

Nandefa tenin’ny Soratra Masina taty amiko ny namako, izay nahakasika ahy tokoa. Namboariko ho anao manokana izany.

Hoy ny Baiboly : “Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao ; Koa ankehitriny dia efa miposaka izany ; Tsy hahalala izany va hianareo ? Eny any an’efitra no hanaovako làlana ; Ary any amin’ny tany lao no hasiako ony.” Isaïa 43.18

Ry Namako, aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha !

Ry Namako, hanao zava-baovao Andriamanitra, ary efa ho tonga izany !

Ry Namako, hanao làlana any an’efitra Andriamanitra ary hanisy ony any an-tany lao !

Amena ! Inoako amin’ny foko rehetra izany. Miandry ny asan’Andriamanitra sy ny fahagagana eo amin’ny fiainanao aho.

Ny lasa omban’ny lasa. Aza mamela ny lolom-po, ny fahangidiana, ny traikefa tsara na ratsy hanakana anao tsy hahita ny fahalebiazan’ny zavatra ho ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Eto amin’ny andinin-soratra masintsika, dia afaka manao làlana any an’efitra Andriamanitra ary mbola afaka ataony izany androany eo amin’ny tany efitra izay lalovanao io.

Misaotra noho ny fisianao,

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.