Ry namako, hamirapiratra ny fahazavanao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, hamirapiratra ny fahazavanao !

Manahoana ianao ry Namako,

Mametraka anao ho ambony dia ambony Jesosy. Tsy manao anao tsinontsinona Izy ary tsy manambany anao. Hoy Jesosy momba anao hoe : “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5.14)
Neken’i Jesosy mendrika ny hisolo tena Azy ianao, hampamirapiratra ny fahazavany eo anatrehan’ireo rehetra manodidina anao. Toy ny fanilo ao anatin’ny haizina (Jereo Matio 5.15)
Matoky anao Jesosy, izany no nanirahany anao. Ianao no fahazàvan’izao tontolo izao. Ao aminao ny fahafahana hanazava, hanao soa sy hitarika ao amin’i Jesosy, ireo rehetra mila Azy.
Matokia fa Jesosy, amin’ny alalan’ny fahazavàna ao anatinao, dia mahatonga anao handeha sy hijoro vavolombelona.
Toy ny lazain’ny Baiboly hoe : “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5.18)
Aza mijery ny toerana misy anao, na ny mety hanananao na tsia izao fa tsara tsy adinonao fa nosafidin’Andriamanitra ianao, nosafidin’Andriamanitra ny Malagasy, nosafidin’Andriamanitra i Madagasikara.
Ho Azy irery ny Voninahitra !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!