Ry namako, fotoana izao hitsaharan’ny ranomasonao.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, fotoana izao hitsaharan’ny ranomasonao.

Notsongaina tamin’ny “Pensée du jour” an’i Patrice Martorano. Mivavaka aho mba hampahery sy hampionona anao izany, raha mila izany ianao.

Rehefa miaina fihorohorontsaina ianao, dia tsy mahagaga raha malahelo sy mitomany. Tsy manome tsiny anao ny Tompo. Izy aza manamarina ny fijalianao : “Sambatra ny ory; fa izy no hampifaliana” (Matio 5.4). Noho ny fahoriana, mandeha ho azy ny ranomaso.

Rehefa maty Mosesy, nitomany ny fahalasany ny zanaky ny Israely nandritra ny telopolo andro. (jereo Deoteronomia 34.8) Ny fotoanan’ny fisaonana dia nanana ny daty fiantombohany sy daty fiafarany. Mety ny mitomany noho ny antony iray na noho ny olona iray, mamoaka ny ao am-po. Fa kosa, rehefa mifarana izay vanim-potoana izay, dia mila manohy ny lalanao ianao. Satria, mihoatra noho ilay fahabangana, dia harary amin’ny zavatra mbola ambony lavitra indray ianao : hanamelo-tena.

Ny Rainao tsara izay any an-danitra dia tsy maniry ny handanianao ny fiainanao amin’ny alahelo sy amin’ny fanenenana ny amin’ny lasa. Noho izany, avotsory ny fonao ary tohizo ny lalanao. Andriamanitra dia tsy maty, velona mandrakizay Izy.

Ny tanin’ny fanekena dia niandry ny zanak’Israely. Inona ny loza nanjo azy ireo raha nandany ny androny tamin’ny fanenenana ny lasa izy ireo, nitomany an’i Mosesy. Votsotra tamin’ny fitahiana sy ny fahagagana izay nomanin’Andriamanitra ho azy ireo ireo.

Avelao Andriamanitra hanasitrana anao. Marary ianao ? Mitomania, aza tazomina izany. Ny Tompo no namorona ny ranomaso izay fomba tsara hanalana ny mavesatra. Fa na izany aza, aza mandany ny andronao hitoloko fa mandrosoa hatrany, fa tsy mitsahatra eo akory ny fiainanao noho io zavatra iainanao ankehitriny io : Ry namako, ny tsara indrindra miandry anao ao aloha ao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!