Ry namako, fantatrao ve ny fanirian’Andriamanitra lehibe indrindra ?
Izao no nosoratan’i Belinda tamiko andro vitsy lasa izay. Heveriko fa hanintona anao izany.
Te hanoratra anao aho androany hariva rehefa avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Mahareta… efa an-dalana ny famonjena”.
Tanora katolika aho. Ny hafatrao isan’andro, ny fampianarana sasany dia tena nahakasika ahy tamin’ny fahatsorany sy ny fahamarinany. Raha ratsy ny androko, izay mahazo ahy matetika, dia mamerina mamaky ny hafatrao taloha aho ary mahatsiaro maivana kokoa aho avy eo. Indraindray aza aho mihaino ny baiboly ara-peo mba hampatory ahy amin’ny alina rehefa tsy mahita tory.
Ny zavatra azoko tamin’ny famakiana izany hafatra izany dia mpamindra fo Andriamanitra, ary mila mahery sy mifikitra Aminy isika mba hahafahana misitraka ny fahatanterahan’ny fampanantenany, na dia mety mitaky fotoana elaela aza izany.
Fantako izany… Fa ny tena mampahory ahy dia ireo hadisoana nataoko tamin’ny lasa, manontany tena aho hoe afaka mangataka zavatra Aminy ve aho. Tsy nanana antoka tahaka an’i Davida aho rehefa mangataka zavatra amin’Andriamanitra, ka resy lahatra fa hahazo valimbavaka. Ao anaty fanahiana foana aho. Manana fampanantenana ho ahy ve Andriamanitra ? Ahoana no hahafantarako an’izany ?
Ny tena faniriako lalina dia ny hifandray akaiky Aminy. Ny hahalala fa manan-danja eo imasony aho. Fantako fa eo Izy, satria misy zavatra mitranga amin’ny fotoana tena ilàko azy mihitsy. Kanefa te hahatsapa misimisy aho fa eo Andriamanitra, tiako ho tsapa ny fanatrehany isan’andro mba hahafako mifandray lalina sy miavaka Aminy.
Ho tahian’Andriamanitra anie ianao.
Belinda
Ho anao Belinda sy ho anareo tsirairay avy izay mametraka an’izany fanontaniana izany koa,
Tia anao Andriamanitra ! Tena tia anao loatra Izy. Ary ny fitiavany dia tsy miankina amin’ny zavatra nataonao na ho ataonao fa noho ireo izay vitan’i Jesosy ho anao. Maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy ho anao. Nitondra ny fahotanao rehetra Izy. Novitainy ny zavatra rehetra. Efa naloany ny zavatra rehetra ! Ny fitiavany dia fanomezana izay mila ekena fotsiny.
Ny tena faniriany dia ny ho tonga rainao ary mba hanana fifandraisan’ny ray sy ny zanaka miaraka aminao. Manan-danja lehibe ianao eo imasony. Reharehany ianao. Inoy fa Izy no rainao ary zanany ianao.
Tsara ny miaiky ny fahotantsika. Raha miaiky ny fahotantsika iska, dia matoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Eo Andriamanitra. Hofenoiny ny fanatrehany ianao ary hamaly anao Izy. Mino izany aho. Tongasoa Belinda ao amin’ny fiainana mahafinaritra izay omen’Andriamanitra ny zanany. Ho anao ny teny fikasany!
Ary tsy ho azy irery izany fa ho anao izay mamaky ahy io koa ry namako, mino izany ve ianao ?