Ry namako, fantatrao ve nahoana Andriamanitra no nanao teny fikasana?
Efa nanontany tena ve ianao hoe : nahoana Andriamanitra no nanao teny fikasana ?
Araka ny diksionera, ny teny fikasana dia “fanekena matotra” ; “fanomezan-toky am-bava matetika, ny hanao zavatra.”
Hitan’Andriamanitra fa ilaina ny manao fanekena tamin’ny olona, ny manome toky azy : izany hoe, haneho aminy fa afaka miantehatra Aminy foana izy.
Tsy Andriamanitra anefa no mila teny fampanantenana fa ny olona. Amin’ny maha-olombelona antsika dia mila mahazo antoka isika fa marina sy ara-dalàna ny fahatokiantsika Azy, ary tsy ho diso fanantenana mihitsy isika ny Aminy..
Marina ny anao raha hahatoky an’Andriamanitra ianao, satria “Tsy olombelona Izy ka handainga”. Eny tokoa, “izay lazainy, dia tsy maintsy hefainy”. ( Nomery 23.19)
Ry namako, tanteraka foana ny zavatra nampanantenainy, satria raha manao izany Izy, dia te hampiseho anao fa tiany loatra ianao ka nanaovany fanekena izay azo antoka ary tsy azo hozongozonina.
Manan-danja eo imasony ianao Ry namako, ka tena vonona handray andraikitra amin’ny fomba matotra aminao Izy, amin’ny fianakavianao, amin’ny firenena malalanao dia i Madagasikara.
Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao aho ary aza adino fa ho anao ireo teny fikasan’Andriamanitra.