Ry namako, fanomezana avy amin’Andriamanitra ianao !
Manahoana ianao ry Namako,
Nahakasika ahy manokana ity fanamarihana nataon’i Theodora ity…Vakio ange dia ho hitanao fa mafonja ny zavatra noteneniny e…
“Misaotra Tompo o ny amin’ny anaovanao ahy. Ny amin’izaho omaly sy izaho androany.
Ampandalovinao ady aho, halànao baraka ny fahavaloko, lasa fandresena ny tsy fahombiazako.
Eto amin’ny misy ahy ankehitriny no toerana tena tokony hisy ahy, satria ianao no mamaritra ny làlako. Matoky ny fitarihanao ny fiainako aho, manome azy ny endriny mandrakizay Ianao.
Fenoy fitiavana ny foko mba ahafahako mizara koa ny fahasoavana noraisiko maimaimpoana avy aminao. Avelao aho hanompo ny hafa, hanehoako ny maha-kristiana ahy.
Asaivo manome mihoatra noho izay hangatahina amiko aho, dia ho sahy hiseho eo anatrehanao.
Na inona na inona hitranga, tsy hiala Aminao aho. Tsisy hampiala ahy Aminao. Ho tahiana tokoa anie Ianao. Ry Rainay izay any an-danitra…Amena !”
Theodora, raha izany ny toe-ponao, hanao zavatra goavana eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Midera ny finoanao aho, ny fahavononanao sy ny fanirianao hanasoa ny hafa.
Ry namako, fantatro fa ianao koa dia “fanomezana avy amin’Andriamanitra” eo amin’izao tontolo izao sy ho an’izao tontolo izao. Minoa an’ izany ! Aza mihevitra fa tsinontsinona ianao, aza miteny zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ho anao. Fanomezana ny fisianao, fanomezana ho an’ny ankohonanao, ny mpiray vodi-rindrina aminao, ny fianakavianao, ny tànana misy anao… ny Malagasy rehetra mihitsy!!!!
Tahiana mihoatra hatrany ianao !