• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 13, 2022

Ry namako, eo aminao ny tànan’andriamanitra !

Andro namoahana Des 13, 2022

Manahoana ianao ry Namako,https://bible.com/bible/96/1ch.4.10.MG1865Nivavaka Jabeza nanao hoe : “Ary ho amiko ny tànanao” (1Tantara 4.10)Ny dikan’ny teny hoe tànana amin’ny hebreo dia “Yad”. Misy resaka fahatsiarovana ao anatin’ izany teny izany. Manamarina izany ny anaran’ ny toerana fahatsiarovana ny namonoana ny Jiosy “la Shoa” atao hoe Yad Vashem.Azo adika toy izao ny tian’ i Jabeza lazaina : izay zavatra nataonao tamin’ny rainay, ny fahagagana rehetra, ny fifohazam-panahy tany aloha tany… tiako hiainana indray izany androany. Tiako ny tànanao ho eo amiko tahaka ny tànanao teo amin’ny Abrahama, Isaka, Jakoba rainay.Ho eo aminao tokoa ny tànan’Andriamanitra, ry Namako. Ho eo amin’ny ankohonanao, ny fianakavianao iray manontolo, ny asanao, ny fianaranao, ny momba anao rehetra, ny tanàna misy anao, ny firenenao. Ilay Tànany mahery, miasa, mitahy, manasitrana, miaro mba hahafahanao miaina ireo fahagagana mameno ny Baiboly. Manàna fo mahay mankasitraka Azy ny amin’izany.Tahin’ny Tompo ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.