Ry namako, aza matahotra fa momba anao Aho.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, aza matahotra fa momba anao Aho.

Tsy handriko loatra ny hihaona aminao isan’andro. Misaotra anao noho ny fahatokianao.

Mitombo ny finoanao ary mino marimarina aho fa faly Andriamanitra ny amin’ny fandrosoanao. Tiany loatra ianao.

Ity misy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly izay nataoko manokana ho anao : “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.” Isaia 41.10

Amen ! Andriamanitra anie :

  • Hampatanjaka anao. Ao Aminy no hakanao ny herinao, tahaka ny lazain’ny soratra masina ao amin’ny Nehemia 8.10 “fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo”. Mivavaka aho mba hiala aminao mandrakizay ny hery ratsy tahaka ny fahakiviana sy ny saina ketraka, ka hahita fitsaharana indray ao amin’ny Tompo ianao.
  • Hamonjy anao. Mety tena efa ratsy ny zava-misy ary tena loza aza, efa tena reraka ianao, tsy mahita intsony iza no sarangotina, ary eo imasonao dia tena tsy misy lalana ivoahana intsony… Fa manana vaovao tsara ho anao aho ry Namako : hamonjy anao Andriamanitra!!! Eny, tsy hamela anao izany Izy na inona na inona manjo anao na aiza na aiza. Io andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia 43 io dia milaza izay ato an-tsaiko : “Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao;” (Isaia 43 :2-3a)
  • Mampahery sy manome ny fandreseny ho anao ! Mijoro eo ankavananao Andriamanitra ary mitondra anao ho amin’ny fandresena. Ary tsy kely izany satria ny Teniny dia milaza aminao : “Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika.” (Romana 8.37)

Noho izany, mahereza ry namako. Aza matahotra satria Andriamanitra dia momba anao, ary miaraka aminao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!