Ry namako, aza matahotra !
“Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko;” Salamo 23.4
Manasa anao Andriamanitra mba tsy hanahy. Nanome toky Izy fa hampahery sy hamonjy anao. Momba anao Izy Ry namako. Nilaza Izy : “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.” Isaia 41.10
Rehefa mivavaka Aminy ianao, dia manatona anao Izy ary milaza aminao : “Nanakaiky Hianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.” Fitomaniana 3.57
Ny tahotra dia fitaovana iray ampiasan’i satana hampitsatoka antsika, ary mahatonga antsika hanahy amin’ny zavatra rehetra, eny fa amin’Andriamanitra koa aza. Aza mijanona amin’izany ary fantaro fa tsy irery ianao ao anatin’io ady io. Reseo ny tahotra amin’ny alalan’ny Finoana, fenoy tenin’Andriamanitra ao anatin’ny fonao ary ambarao am-pahatokiana fa tsy matahotra ianao satria miaraka aminao Andriamanitra, momba anao sy ao anatinao.
Ambarao miaraka amiko anio fa : “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” Salamo 118.6