• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 7, 2023

Ry Namako, aza manaiky hampitahorina !

Andro namoahana Mey 7, 2023

Ny Baiboly milaza fa “ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” (1 Petera 5.8)

 

Ny tanjon’ny fahavalo dia ny tsy hahafahanao mihetsika intsony. Ny tahotra no anisan’ny fiadiana tiany indrindra amin’izany. Izany no tokony ho takatrao raha miresaka hoe liona mierona io tenin’Andriamanitra io. Rehefa tsy afaka mihetsika intsony noho ny tahotra ilay iharan’ny herisetra dia samborin’ny liona ary harapany. 

 

Fa izao no vaovao mahafaly : “Maneke an’Andriamanitra, manohera ny devoly dia handositra anareo izy”. (Jakoba 4.7)

 

Ny manaiky an’Andriamanitra dia milaza Aminy hoe : “Zanakao aho, miankina Aminao aho, eo am-pelatànanao ny fiainako, miaraka amiko Ianao”. Fanekena ny heriny, ny fahamboniany sy ny fahalebiazany izany. Fiaikena ny famonjeny izay tsy fohy rehefa anaty fahoriana.

 

Ny manohitra ny devoly dia milaza hoe : Any ivohako ianao ry Satana ! Tsy misy anjaranao eo amin’ny fiainako. Tsy manana fahefana amiko ianao fa an’Andriamanitra aho. Andriamanitra no Raiko. Ianao no mpiampanga ny olona,  ary izany ihany no zavatra mba hainao… miampanga. “Fa iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy !” (Romana 8.33)

 

Manome toky Andriamanitra fa handositra lavitra anao ny devoly. Tahaka ny haizina tsy mahazaka ny mazava, toy izany koa ny devoly dia tsy mahazaka ny finoana am-pifalian’ny zanak’Andriamanitra.

 

Mety efa ela ianao no tao anatin’ny fahasarotana, tao anaty fahantrana, ny tsy finoana…ary noho ireo zava-misy ankehitriny eto Madagasikara, dia tena sarotra ho anao ny hino fa Andriamanitra dia mbola afaka manao zavatra. Tsia Ry namako, lavo izany lainga izany!! Handrava ny finoanao no maha eo ny devoly…ambarao fa tsy afaka/tsy afaka intsony hihazona ny fiainanao izy, ny ankohonanao, ny orinasanao, ny firenenao, amin’ny anarana maherin’i Jesosy.

 

Eny ry namako, matokia an’Andriamanitra, aza manaiky halemy, anao ny fandresena

 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.