Ry namako, afaka manova ny zavatra rehetra ho anao sy ireo akaiky anao Andriamanitra.
Anio dia te hiresaka aminao momba ny mamako aho sy ny faharetany izay mahavariana. Nicole no anarany.
Tamin’izaho mbola tovolahy sy mpikomy, dia nataoko daholo ny zavatra rehetra mba hanadinoako ny alaheloko noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniko. Saika maty aho teo amin’ny 16 taonako, raha nanafangaro ny zava-maha-domelina sy ny toaka. Tena nanahirana ny mamako aho tamin’izany!
Indray andro, nahare ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesosy Kristy izy ary niezaka nizara izany tamiko. Fa tena tsy azo natao n’inon’inona aho no vao maika nampijaly azy. Fa noho ny fitiavany sy ny faharetany izay mendrika tahafina, dia tsy nilavo lefona ny mamako ary nanova tanteraka ny fiainako Jesosy ny farany!
Mety ao anatin’ny aizina tanteraka ianao androany eo amin’ny lafim-piainanao sasantsasany ? Mety efa kivy ianao ny amin’ny manjo an’ireo akaiky anao ?
- Manomboha mijery ny ho avy amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra…
- Afaka miova ny zava-misy eo aminao
- Afaka miova ny fifandraisanao
- Afaka miova ny zanakao
- Afaka miova ny tokantranonao
- Afaka miova ny ara-bolanao
- Afaka miova ny fahasalamanao
- Afaka miova ny firenenao
- Manana ny hery hahafahana manova ny zavatra rehetra Andriamantra. Andriamanitra Tsitoha Izy !
“Hainao hoe ! .. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” hoy Jesosy mantsy an’ilay lehilahy izay manan-janaka lahy izay nampahorian’ny devoly hatramin’ny mbola kely. Namaly izy : “Mino aho! Vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako”. Ary nafahan’i Jesosy ilay zaza. Niova tanteraka ny fiainany nanomboka teo. (Marka 9.23-24)
Ry namako, manomboha mijery mihoatra lavitra ny zava-misy eo aminao anio, amin’ny finoana ary ambarao ny fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.
