Ry namako, adinoy ny any aoriana…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, adinoy ny any aoriana…

Tiako ity andinin-tsoratra masina ity…

“…Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha” Filipiana 3.13-14

Mitovy aminao koa aho : misy zavatra tamin’ny lasako tsy maintsy avelako any aorinako. Tsy azo atao ny miaina sy mivelona anaty fanenenana.

Raha niaina zavatra nampahory ianao, afaka mampionona anao Jesosy, manasitrana anao, mamela ny helokao, manome fiainana anao indray ary fiainana be dia be. Tsarovy i Joba, tsy nanana na inona na inona intsony nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy takatry ny saina. (jereo Joba 42.10)

Maheno isika indraindray hoe : mamela aho fa tsy hadinoko. Tsy mety izany. Ny fomba tsara indrindra hanadinoina dia ny mamela ny lasa nampahory ary mandroso hatrany. Izany no nataon’ny Apostoly Paoly.

Ny dikan’ny hoe “mandroso” dia hoe “miezaka manatratra”. Inona no tianao hotratrarina ? Inona no mba irinao amin’ity taona 2023 ho avy ity ? Inona no hametrahanao ny herinao rehetra ? Ny Baiboly dia mandrisika antsika hikatsaka ny zavatra any ambony, any amin’ny misy an’i Kristy. (Kol 3.1)

Ary rehefa voafaritra ny tanjony dia hoy izy hoe : mihazakazaka aho ! Tsy miala amin’ny tanjona ny masony. Te handresy izy ka hahazo ny loka.

Ianao koa ry Namako, adinoy ny any aoriana, dia mandrosoa, mihazakazà ho any amin’ny tanjona. Mamaly soa izay mitady Azy Andriamanitra.
Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!