Rindrina Afo manodidina anao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Rindrina Afo manodidina anao !

Efa niaina ny fiarovana mahagaga an’Andriamanitra ve ianao ? Izaho efa imbetsaka no niaina izany teo amin’ny fiainako.
Rehefa nivoaka tao Egypta ny Zanak’Israely dia niaina ny fiarovan’Andriamanitra tamin’ny endriky ny andry afo izay nandeha teo anoloany sy niaro azy ireo tamin’ny fanafihan’ny fahavalo. Ny tena nahavariana ahy indrindra dia rehefa nanenjika azy ireo ny Egyptiana mba hanafika ny Zanak’Israely dia nikisaka teo anelanelan’izy ireo ny andri-afo, ka nahatonga aizim-pito tany amin’ny faritry ny Egyptiana fa namirapiratra kosa teny amin’ny faritra nisy ny Israely. Izany fahagagana izany no nanakana ny Egyptiana tsy hahatratra ny Zanak’Israely, hany ka nanam-potoana nandosirana izy ireo! Azonao vakiana manontolo ao amin’ny Eksodosy 14:19-20 ny tantara momba izany.
Hoy ny Baiboly : « Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany. » (Zakaria 2:5). Eny ry namako, Andriamanitra dia toy ny manda afo manodidina anao ka manakana ny fanafihan’ny fahavalo tsy hahatratra anao ! Tsy mahagaga loatra ve izany ?Na inona na inona toe-javatra iainanao dia afaka mifikitra Aminy ianao ary matoky fa hahita ny voninahiny eo amin’ny fiainanao. Andriamanitra no aronao : ny Afony dia fahazavana sy voninahitra ho anao fa haizina kosa ho an’ny fahavalo !
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao ? «Tompo o, misaotra anao aho noho ny fiarovanao mahagaga sy ny fiahianao ahy.Mivavaka aho mba afaka hifikitra aminao amin’ny foko manontolo anatin’ny toe-javatra sarotra rehetra ary hahita ny manda afonao manodidina ahy. Na inona na inona mitranga dia hisafidy ny hifikitra Aminao amin’ny foko rehetra aho ary matoky aho fa hahita ny voninahitrao hiseho eo amin’ny fiainako ! Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen ! »
Andriamanitra dia mijoro eo anilanao, anio ary mandrakizay !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!