Rehefa tsy misy mijery – nefa Andriamanitra miantso anao 🫡
Nahoma. Boky iray ao amin’ny Baiboly izay saika tsy voamarika akory. Pejy telo, teny vitsy. Kanefa feno harena be ! 🤩
Tsy maintsy nanao fikarohana kely aho rehefa namaky ny fehezanteny voalohany tao amin’ilay boky, satria voasoratra hoe :
“Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Ninive, dia ny bokin'ny fahitan'i Nahoma Elkosita.” (Nahomy 1.1)
“Fa andraso aloha, iza moa io Nahoma io? Sao dia nisy zavatra tsy azoko?”
Tsia, tsy nisy zavatra tsy azoko. Tsy misy fantatra momba azy afa-tsy izay voasoratra ao anatin’ireo pejy telo ireo.
Nipetraka tany amin’ny tanà na iray izy. Azo inoana fa tsy mbola nisy zavatra niavaka nitranga tamin’ny fiainany talohan’izay.
Tao amin’io tanà nany io fotsiny izy no nitoetra, nihaino, lavitry ny tabataba, ary nikolokolo ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.
Ary angamba ianao koa, mahatsapa tena tahaka an’i Nahoma. Voahodidin’ny olona ianao izay toa maro zavatra holazaina, ary izy ireo no henoina. Fa ianao kosa eo afovoany eo. Mangina. Tsotra. Mbola tsy niaina zavatra miavaka akory. Ka inona à ry no anjara toeranao ?
Inona no anjara toeranao eto amin’ity tontolo be tabataba ity, hany ka tia mitokana ianao ?
Tiako ho saininao anio ity fahamarinana sarobidy iray ity : raha misy olona SASANY hita foana mandrakariva, dia misy kosa ireo miseho amin’ny FOTOANA mety !
Eny : Tsara lavitra ny miseho amin’ny fotoana mety toy izay hita foana matetika !
Fa hain’Andriamanitra ny mampiasa anao na aiza na aiza misy anao, mitoera mifandray Aminy fotsiny !
Aza adino mihitsy ny mifikitra amin’Andriamanitra ary jereo izay tsara indrindra ananany… ho anao sy amin’ny alalanao !
Tsy very fotoana ianao rehefa mandany fotoana miaraka amin’Andriamanitra.
Tsy hoe tsy misy dikany ianao rehefa misy hafa hita kokoa. Avelao Andriamanitra hiasa – ary mandra-piandry izany :
“Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.” (Salamo 37.4)
Fahagagana ianao !