• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 7, 2025

🏃‍♂️ Rehefa ianao no voafidy amin’ny antsapaka

Andro namoahana Feb 7, 2025

Nanelingelina ahy ny famakiana an’ilay tantara momba ny andro nisehoan’ny anjely tamin’i Zakaria tao an-tempoly, tao izy satria nofantenana tamin’ny alalan’ny antsapaka. Antsapaka! Hoy ny Soratra Masina:

Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.” (Lioka 1.8-9)

Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy…” (Lioka 1.11)

Io anjely io no nilaza taminy fa novalian’Andriamanitra ny vavaka nataony ary ho lasa ray izy. Fa inona izany no nitranga raha nianjera tamin’olon-kafa ilay antsapaka? Tsy ho ray mihitsy ve izany i Zakaria? Sa olona hafa no mety ho lasa ray? Ahoana no ahafahan’Andriamanitra manapa-kevitra amin’ny alalan’ny antsapaka ?

Misy fotoana aho mihomehy ny tenako sy talanjona mihitsy. Amin’ny lafiny iray, milaza aho hoe matoky tanteraka an’Andriamanitra. Amin’ny lafiny iray, dia mahasosotra ahy ny mamaky tantara tahaka itony, haha. Efa nisy fotoana ve nanao toy izany ianao? Hoe mamaky zavatra ao amin’ny Baiboly dia mametra-panontaniana hoe: “fa mba tena matotra koa ary ve itony e?”

Raha sendra an’izany dia mila mahatsiaro  ilay teny ao amin’ny Baiboly isika hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55.8-9)

Fampahatsiahivana kely ho antsika rehetra:“Na dia be aza ny soa omen’Andriamanitra antsika noho ny fitiavany, dia tsy ho azontsika tanteraka ny fisainany raha mbola eto an-tany isika. Noho izany, tsy tokony hohadinointsika fa: Andriamanitra dia Fitiavana!”

Izy dia Andriamanitra mandrakariva. Ary ianao kosa dia olona.

Olona iray tian’Andriamanitra. Olona iray sarobidy eo imasony…

Saingy olona ihany!

Ny olombelona dia miserana ihany, Andriamanitra kosa mitoetra…

Mandrakizay!

Antony ampy izay hahatokisana Azy, na dia tsy azontsika aza ny fomba fiasany.

Amin’ilay fotoana mbola mametra-panontaniana iny ianao no efa manomana ilay fotoana izay “ianjeran’ny antsapaka aminao” Andriamanitra, hitahiany anao …

“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!” (Marka 5.36)

Ianao dia Fahagagana!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.