• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 10, 2024

๐Ÿ”š Rehefa Andriamanitra no mampitsahatra!

Andro namoahana Des 10, 2024

“Leo aho, ampy izay ! ”

Teo afovoan’ilay dobo filomanosana teo imason’ny olona rehetra no nilaza izany tamiko ilay anadahiko. Dia izaho moa namaly hoe: “Fa izaho anie mbola tia anao foana e!”

Nohalavainay ilay “fampisehoana” kely, sady saika tsy nahatana fihomehezana izahay, ny olona manodidina amin’io mijery anay sady gaga hoe: “Dia tena hisaraka ve ireo? Dia tena eto sy izao mihitsy ve?”

Haha, tamin’ny mbola kely dia tena tianay mihitsy ny manao vazivazy toy izao. Amin’ny farany, tena hita hoe faly sy afa-po ny olona nijery rehefa nifamihina sy nifampihavana izahay!

Fa vao aingana anefa, nisy namako tena nandao ahy tampoka, nefa aho tena nanantena hoe mbola ho lava ny fiarahanay. Iray amin’ireo zavatra mangidy ilaina zakaina sy ekena nefa izany!

Indraindray, misy tombontsoa na fitahiana ananantsika alain’Andriamanitra tampoka tsy misy antony mazava. Amin’izay fotoana izay, matetika manontany tena isika hoe: “Inona ary no tsy nety nataoko? Fa inona ny hadisoana nataoko taminao Andriamanitra ô ? ”

Tsy ratsy ny maka fotoana hieritreretana izany indraindray. Nefa efa nazavain’i Jesosy ny antony:

Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2)

Raha toa ka alain’Andriamanitra aminao ny zavatra iray, dia minoa fa efa misy zavatra hafa voaomany ho anao!

Rehefa misy zavatra alaina dia midika fa misy fitahiana vaovao omena!

Tadidio fa amboariny ny sampana mamoa mba hamoa bebe kokoa. (araka an’i Jaona 15.2)

Ny sampam-boaloboka dia tapahana mba hanomezana endrika tsara kokoa azy, hanatsarana ny fahasalamany, ary hampitombo ny vokany. Raha io izao dia toa “mampihena” aloha . Saingy ilay “mpamboly” (Andriamanitra, araka an’i Jaona 15.1) dia mahalala tsara fa zava-dehibe izany mba hahazoana zavatra betsaka kokoa ao aoriana ao.

Aza miondrika fa hoe misy zavatra tsara tsy anananao na tsy omen’Andriamanitra anao. Tokony hanandratra ny lohanao kosa ianao ka hanontany hoe: “Andriamanitra ô, inona indray re no zavatra vaovao sy mahafinaritra voaomanao ho ahy anio e?”

Tadidio fa fahagagana ianao !

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.