Ravao ny sakana amin’ny fampihavanana..!
[Nalaina tamin’ny boky “Restaurer les relations brisées” de Neil T. Anderson].
Inty misy dingana anankiroa izay hadravanao ny sakana avy amin’ny fampihavanana :
- Miankina tanteraka amin’Andriamanitra.
Tahaka ny mpianatra tao anatin’ny tafiotra, dia afaka mamoy manohitra ny tafiotra isika izay tsy iza fa ny fiainantsika. Tsy hanakana antsika ny Raintsika. Fa ho avy ny fotoana izay hitantanantsika ny fianakaviantsika amin’ny herintsika manokana, hitadiavantsika lalana ho amin’ilay asa izay efa nampanantenain’Andriamanitra antsika nefa toa maka fotoana, na mitondra ny fifandiran’ny olona tena akaiky antsika nefa tsy sahy mangataka fanampiana isika hany ka lasa reraka. Lasa mihisatra isika, mandrapaha-vizana ny sandrintsika. Na miantso an’Andriamanitra isika, dia tonga ny famonjeny sy ny famatsiany. Ny fiheverantsika fa mahavita tena isika no tena fahavalon’ny fampihavanana.
- Mahay mamela heloka.
Ny fifandirana dia mandratra ary mamela takaitra ara-pihetsehampo, ary ara-panahy koa. Indraindray dia ny mifikitra amin’ilay fahatezerana tahaka ny fiarovana mafy no zavatra ataontsika voalohany, mba tsy haratra indray isika. Fa Andriamanitra izay feno fitiavana dia mamporisika antsika hamotsitra an’izany. Marina Izy, ary hainy ny mikarakara anao mihoatra noho ny hafa.
Ny mamela heloka dia famotsorana gadra iray izay tsy iza fa isika ihany.
Hiaraka hivavaka isika : “Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”(vakio Matio 6.12)
Ny faniriako ho anao anio dia ny mba hamelànao an’Andriamanitra hifehy ny zavatra rehetra, na tahaka ny ahoana aza ny fangirifiriana handalovanao. Eo Izy hanafaka anao amin’izay manakana anao hiaina amin’ny fahafenoana.
Hiaraka hivavaka isika : “Misaotra Tompo ny amin’ny fahasoavanao sy ny fitiavanao. Misaotra ny amin’ny fampianaranao izay tsy manameloka fa manome aina indray. Ampianaro aho mba hiankina tanteraka Aminao, mba hahay hamela heloka araka ny angatahanao amiko.Te hanao ny sitraponao aho isan’andro isan’andro. Esory ireo rehetra izay manakana ahy hiaina ilay fiainana mampihavana izay kasainao ho ahy. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen.”