• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 7, 2024

šŸ¤— Raiso ny fihin’Andriamanitra

Andro namoahana Nov 7, 2024

Iray amin’ireo fitahiana lehibe izay azontsika rehefa manatona an’Andriamanitra isika, dia ny fahafahana mahatsapa ny Fiarovany eo amin’ny fiainantsika.

Tiako loatra rehefa mihazakazaka tampoka ho ety an-tsandriko ny zanako, mba hamihana ahy sy hitoetra eo an-tratrako. Tsapako ny fidoboky ny fo keliny, ary tena mahatsapa ho voaaro izy amin’ireny fotoana ireny, ary vonona indray hilalao sy hitsambikina !

Izany no fahitan’ny Ray antsika : afaka manatona Azy isika amin’ny fotoana rehetra, na amin’ny fotoana tsy ampoizina indrindra aza, ary afaka mahatsapa ny fihiny eo amin’ny fiainantsika isika. Ao Aminy no ahatsapantsika izany fiarovana izany, ilay fiarovana izay ilain’ny fanahintsika.

Jereo ny fomba nilazan’ny mpanao salamo izany hoe: “Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.” (Salamo 3:3).

Eny, Izy no ampingantsika, izay mameno antsika amin’ny Voninahiny, ary manandratra ny lohantsika mba hahafahantsika mandroso, na dia amin’ny fotoana tsy ahaizantsika izay fomba handrosoantsika indray aza. 

Raha ny amiko, anisan’ny zavatra tiako indrindra amin’ny maraina ny fiarahana amin’Andriamanitra, ilay tia ahy mihoatra noho ny olon-drehetra. Tiako ny manatona ny sandriny ao anatin’ny vavaka, ary tsapako foana ny fomba hanandratany ahy sy hamelany ahy hahazo hery handrosoana, na dia amin’ny fotoana kivy aza aho.

Ry namako, Izy no herinao, Izy no ampinganao, Rainao be fitiavana izay afaka hihazakazahanao mba handraisanao fihina rehefa tena mila izany ianao.

Ary ny tena sarobidy dia ny hoe, eto amin’ity tontolo feno faharatsiana ity dia afaka ny ho sandry sy fon’Andriamanitra ho azy ireo koa isika. Azontsika aseho azy ireo izany fitiavana izay tadiaviny fatratra izany, ary hotarihantsika ihany koa izy ireo mba hahazoany fihaonana lehibe sy mahery amin’Andriamanitra, ka hiova tanteraka ny fiainany.

Araka ny nolazaiko taminareo omaly, dia hizara aminareo fanomezana iray aho ao anatin’ny andro vitsitsy izay hanampy anao hikasihana fiainan’olona misimisy eo amin’ny manodidina anao. Tsy izay ihany anefa fa mbola hizara fanomezana hafa koa aho izay hanampy anao amin’ny fanarahana tsara ny Diarin’ny Vavaka, amin’ny fotoananao isan’andro miaraka amin’ny Tompo. Tsy ho ela dia vonona izany, ampahafantariko anao eo ihany šŸ˜‰

Mandra-pahatongan'izay, iza no afaka hizaranao izany fitiavana izany anio? Iza no azonao entina eo am-pelatanan’ny Ray anio? Aoka ho fitahiana ho an'olona iray ianao anio.

Eric CƩlƩrier
Mpanoratra

Eric CƩlƩrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.