๐ Raiso ny fanomezan'Andriamanitra!
Hatramin’ny niterahanay dia nanomboka niaina zavatra mahafinaritra maro izahay.
Eny , tsy azo lavina fa tsy mora ny fiainana isan’andro amin’ny maha ray aman-dreny fa kosa dia hahazoana traikefa tena tsara foana!
Ny fiainana isan’andro miaraka amin’izy ireo dia ahafahana miaina fotoana feno fifaliana, fahasambarana, fahasarotana sy harerahana ihany koa ๐ .
Raha ho ahy manokana dia fotoana iray fahafahana mamantatra misimisy kokoa ny fon’ilay Ray, sy izay tokony ho fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Hoy Jesosy tamin’ny Mpianany: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.” (Marka 10:15)
Ny ankizy tokoa dia manana toetra manokana mampiavaka azy. Rehefa miha lehibe isika, dia misy zavatra sasantsany tena ilaina eo amin’ny fiainantsika tsy hananantsika intsony, satria mila izany isika mba hiaina tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika!
Jereo ny fomba hilazan’i Jesosy izany: raha tsy mandray ny Fanjakan’ny lanitra tahaka ny zaza isika, dia tsy hiditra ao. Tena hoe mahatalanjona e?
Ry namako, tianao ve, dieny anio ny handray izay rehetra nomanin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao? Indraindray isika dia manana fahazarana manasarotra zavatra. Antsoin’Andriamanitra anefa isika mba hitoetra tahaka ny zaza, vonona handray izay rehetra nomaniny ho antsika: am-pifaliana sy tsy ankasarotina.
Mandritra ny andro vitsivitsy isika dia hijery karazana fanalahidy izay hanampy antsika hamerina indray ilay toetry ny fahazazantsika, izay ho ampifamenoana amin’ny fahendrena azo avy amin’ny traikefa. Mino aho fa hihavao tanteraka ny fiainanao mandritry ny andro manaraka!
Fahagagana ianao!
