• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 19, 2024

πŸ‘ŠπŸ» Raiso ny fandresena amin'ny olana "kely" hatrehinao !

Andro namoahana Apr 19, 2024

 

Mahatsapa ve ianao fa miaina malalaka tanteraka? Heveriko fa isika rehetra dia samy mandalo karazana eritreritra, tahotra, ary indraindray aza firaiketam-po izay manakana antsika tsy hahazo an’io fahafahana sarobidy tian’Andriamanitra homena antsika io.Tsara ny manamarika fa ny zava-misy matetika dia ny olana izay miverimberina amintsika dia noho ny zavatra pitsopitsony "kely" amin’ny andavanan’andro izay tsy haintsika vahana mihitsy…

Mety mahatsapa afaka ianao amin'ny 97% amin'ny sehatra eo amin'ny fiainanao, noho ny zavatra efa nataon'i Jesosy taminao. Na izany aza, mety mbola mahatsapa tahotra “kely” ihany ianao ao am-ponao izay manaisotra ny fiadananao, ary ireo fahatezerana “kely” sasany izay mahatonga anao hanao fihetsika mahery indraindray na ireo firaiketam-po kely izay tsy hainao hialana.

Tian'i Jesosy ho afaka ianao, tsy 97%, na 99%, fa tena 100%: tena afaka tanteraka! Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza fa « izay maharesy ny olona dia mahandevo avy. » (2 Petera 2:19).

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra tsapanao raha toa ka afaka tanteraka amin’ireo antsipiriany “kely” ireo ianao? Io fahafahana io, io fahatsapana fa tsy andevozin'io fatorana io intsony ianao na tsy matahotra intsony : tsy misy azo hoarina an’izany fahafahana izany !

Naloan’i Jesosy tamin’ny rany ny vidiny mba hahafahanao miaina amin’izany fahafahana izany. Aza mionona amin'ny kely! Nomeny anao ny Fandreseny mba hahatonga anao koa ho mpandresy bebe kokoa amin’ireo lafiny ireo.

Ry namako, androany no andro ahafahanao mahazo fandresena lehibe amin'ny sehatra "kely" eo amin'ny fiainanao. “Izay itoeran’ny Fanahin’i Tompo no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17)

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.