Raiso ny ampingan’ny Finoanao !
Efa hitanao ve ireo saron-tava lehibe fiarovana vita amin’ny plastika? « Face shield » no iantsoana azy amin’ny teny Anglisy satria ireo dia saron-tava plastika izay manarona ampahany amin’ny tarehy. Noho izany, raha misy otrik’aretina mifanojo amin’ny lalantsika, dia mijanona amin’io fiarovana io, amin’io ampinga io izay manakana azy tsy ho tonga ka hamindra amintsika.
Hoy ny Baiboly : « Tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. » (Efesiana 6 :16). Eny ry namako, ny finoana no ampinga izay miaro antsika, izay manakana ny laingan’I Satana tsy hahatratra antsika sy hanan-kery amintsika.
Mety manontany tena ianao hoe : « Fa ahoana ny fomba hiarovan’ny finoako ahy ? » Mba ho tanteraka izany dia mila apetrakao eo anoloanao ny ampingan’ny Finoanao, ary azoninao mafy, toy ny miaramila mifikitra amin’ny ampingany. Isaky ny misy laingan’ny fahavalo mipoitra mba hanafika anao, dia mila manakana izany amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ianao, amin’ny alalan’ny fiazonanao azy mafy. Mieritreritra ho nafoin’Andriamanitra ve ianao indraindray ? Tohero amin’ny fahamarinana izany eritreritra izany fa momba anao mandrakariva Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny andro farany. (Matio 28:20). Eritreritra fiampangana no tonga ao an-tsaina ? Tohero ireny, amin’ny fahamarinana izay milaza fa namela anao Andriamanitra ary nanadio anao ho afaka amin’ny helokao rehetra (I Jaona 1:9). Ary toy izany hatrany amin’izay eritreritra tsirairay. Apetraho eo anoloana ny finoanao, dia ho lasa any aorianao ireo laingan’ny fahavalo !
Hivavaka isika : “Tompo o, ampio aho hihazona ny ampingan’ny Finoana eo anatrehako mandrakariva. Te hanakana ny lainga rehetra ataon’ny fahavalo aho ka hanolo azy amin’ny Teninao fahamarinana. Hisandratra eo amin’ny fiainako anie ny anaranao ry Tompo Andriamanitro ! Amin’ny anaran’I Jesosy. Amen !”
Tohizo ny ady tsaran’ny finoana, ry sakaiza. Ao amin’i Jesosy, dia azo antoka fa hahazo ny fandresena ianao.