🛡 Raiso ireo fiadian'ny mazava!
Araky ny tantara dia maro ireo fanafihana an'ady natao tamin'ny alina. Ny tanjona dia ny hamelezana ilay fahavalo amin'ny fotoana tsy ampoizina, ka ny haizin'ny alina no ampiasaina mba tsy hahitany tsara ny zava-mitranga.
Raha ny mahakasika antsika dia manam-pahaizana manokana amin'ny haizina ilay fahavalo, izay miasa amin'ny fiainantsika amin'ny fomba miafina sy ankolaka, tsy hita maso. Amin'izany no hamenoany karazana lainga ao anatintsika, tsy hahatsiarovantsika tena akory, ka lasa lavo isika. Soa fa manana ny fiadian'ny mazava vonona isika! Izay no nolazain'ny Apôstôly Paoly : "Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." (Romana 13:12)
Anisan'ireo fiadiana sarobidy ireo ilay ampingan'ny finoana, ny sabatry ny Tenin'Andriamanitra ary ny fiarovan-dohan'ny fanantenam-pamonjena. Rehefa ampiasainao amin'ny fahendrena sy vavaka ireo fiadiana rehetra ireo dia mampamiratra hazavana izay mampandositra ny fahavalo sy mandrava ny asany. Mampandositra ny haizina eo amin'ny fiainanao ny fiadian'ny mazava!
Aza adino ny mitafy ireo fiadiana ireo. Andro fandresena ho an'ny fiainanao anio.
Hiaraka hivavaka isika : "Misaotra Tompo ô, satria noho ny amin'ny Anaranao dia ahy ny fandresena manoloana ireo asa sy fanafihan'ilay fahavalo. Mangataka Anao aho mba hanome ahy ny fahendrena ny amin'izay lalana hodiaviko, sy manampy ahy mba hampiasa amin'ny fomba mahomby ny fitafiana sy fiadian'ny mazava izay omenao ahy anio. Hisandratra avo anie ny Anaranao eo amin'ny fiainako anio ka ho mandrakizay. Amin'ny Anaran'I Jesosy. Amena!"
Entiko am-bavaka sy ato am-poko ianao.