✅ Raha tena izany tokoa...

Matetika isika no mihira hoe: "Jesosy ô, Ianao irery no ilaiko!"
Vao tsy ela akory izay, dia nanoratra hira vaovao aho izay nanehoko izany teny izany tao anatin’ny tononkira, izay no nahatonga ahy hahatsapa ny maha-zava-dehibe izany. Satria Jesosy tokoa no tena ilainao.
Ary noho izany, tamin’io maraina io, rehefa avy nihira ilay hira vaovao nandritra ny roa andro aho, dia nieritreritra hoe: “Raha Jesosy marina no ilainao, inona no ataonao mba hanaporofoana izany Azy?”
Satria tena zava-dehibe ny mampahafantatra Azy izany.
Na dia hoy aza isika hoe "efa fantany izany". Fa eto kosa dia resaka fahatsiarovan-tena bebe kokoa, ny hatakaranao amin’izay fa tsy afaka ny handeha tsy misy Azy ianao... ary manao izay zavatra mifanaraka amin'izany.
Ahoana anefa no hanehoanao an’i Jesosy fa mila Azy ianao?
Tamin’io maraina io, taorian’ny vavaka fohy, dia saika hanomboka hanao ireo asa maro fanao isan’andro aho. Ary tamin’izay indrindra, no nahatsapako fa fotoana izao hilazako an’i Jesosy fa mila Azy aho!
Nakatona haingana ny solosaina ary nanomboka nivavaka aho:
"Jesosy ô, tsy te hamita irery ity tontolo andro lava be amin’ny herin’ny tenako aho. Te hahatsapa ny Herinao izay hitarika ahy amin'ny lalana rehetra aho. Eny, mila Anao aho! Misaotra noho ny Fitarihanao sy ny Fanohananao. Amen."
"Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao." (Ohabolana 3:6).
Amin'ity anio ity, tsy tokony hivelona fotsiny ianao, fa hiaina amim-pifaliana feno!
Manasa anao aho mba hanandratra izao vavaka izao miaraka amiko:
“Jesosy ô, tsy te “hamita” ity tontolo andro lava be amin’ny herin’ny tenako aho.Te hahatsapa ny Herinao izay hitarika ahy amin'ny lalana rehetra aho. Eny, mila Anao aho! Misaotra noho ny Fitarihanao sy ny Fanohananao. Amen."
Jesosy irery no hany ilainao!

