• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 9, 2026

Ovay ny fomba fiteninao !

Andro namoahana Jol 9, 2026

Inona ilay fahagagana andrasanao fatratra ?

Tsy fantatro izay andrasanao, fa azoko antoka tokoa hoe afaka manome ary te hanome izany anao Jesosy !

Saingy izao, mety tsy hitovy amin’ny andrasanao ny valiny ho voarainao :

Ohatra hoe, mety tsy fanasitranana no homeny fa hery hentinao miatrika sy miaina ilay aretina. Na koa hoe, mety tsy hovahany ny olanao fa homeny anao kosa ny fahendrena handaminana izany.

Kanefa na inona na inona valiny homen’Andriamanitra anao dia matokia fa hahatsara anao izany !

Mety efa fantatrao ny tantarako. Nanambara ny mpitsabo fa tsy hahatratra ny faha-18 taonako aho. Nandemy ahy loatra mantsy ny tsi-fahazotoan-komana, hany ka tsy nanana hery intsony aho.

Na dia izany aza dia tsy nionona tamin’ny tenin’olombelona na tamin’ny fahanginan’Andriamanitra ireo ray aman-dreniko ! Nitohy niantsoantso an’Andriamanitra sy nanonona FIAINANA ho ahy izy ireo nanao hoe : “HO VELONA ny zanakay!”

Izany fehezanteny izany dia notononiny tamin’ny feo avo ary tsy izaho irery no nahare azy fa Andriamanitra ihany koa. Koa izay rehetra nanohitra ny fiainako dia nandre izany tenim-pinoana izany !

Ny fanahiana dia tsy afaka mitoetra eo amin’izay misy ny finoana !

Toy izany koa no nisehoan’ny fahagagana voalohany tao amin’ny Baiboly. Ireo olona nanodidina an’I maria, izay nasainy nanomana ireo siny dia mety nihevitra azy ho adala. Hoy tokoa Jesosy tamin’izy ireo : “Tsy mbola tonga ny fotoako.” (Jaona 2:4)

Kanefa, nasain’i Maria nanaraka antsakany sy andavany izay nolazain’I Jesosy izy ireo. Nametraka Finoana sy Fiainana teo amina toe-javatra tsy hay atao izy.

Mankahery anao ihany koa aho hanonona FIAINANA amin’ny feo avo amin’ny toe-javatra lalaovanao.

Te hanandrana izany ve ianao anio ?

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.