馃檹 Ovay ny atm么sfera !
Inona ny paikady ampiasainao rehefa tojo fotoam-pahalemena ianao ?Indray andro teny amin’ny Oniversite dia nandalo fotoana tsy fahampiana fahatokisan-tena aho. Nanomana famelabelarana iray izahay sy ny mpianatra sasany, izay tokony naseho tamin’ny ambin’ny iray kilasy. Navesatra ny atmôsfera, nisy tsy fahampiana finiavana teo amin’ny tarikay, ary ahiahy sy tebiteby teo amin’ireo mpihaino. Toy ny efa tsy maintsy hiafara amin’ny tsi-fahombiazana ny zava-drehetra.Nitebiteby fatratra aho satria nanakaiky ny anjarako tamin’ny famelabelarana. Tampoka teo dia nanapa-kevitra aho ny hanala izany eritreritra izany tao an-tsaiko, ka hino fa niaraka tamiko Andriamanitra, ary miaraka Aminy dia afaka ny hanova ny atmôsfera nisy tao an-dakilasy tamin’io fotoana io aho. Koa dia nataoko izany ary nanomboka niteny tamin-kery sy fahatokiana aho ka tao anatin’ny segondra vitsy dia niova tanteraka ny famelabelaranay. Afaka nampihetsi-po sy nahaliana ireo mpihaino aho ka namerina indray ny fifantohana tao anatin’ny famelabelarana ary nizotra tsara ny zavatra rehetra. Tena traikefa nahafinaritra tokoa izany !Fantatrao ve inona no nahatonga izany ? Satria na dia nanafika ahy aza ny tahotra sy ny fisalasalana dia tsy namela izany hanjaka tamiko aho fa nanapa-kevitra kosa ny hanamafy ny finoako ka handroso hatrany.I Abrahama, izay nampanantenain’Andriamanitra zanaka lahy taona maro lasa, dia nanana ny antony rehetra tokony hahakivy. Toa nanohitra azy avokoa ny zava-drehetra :
- Efa ho zato taona izy.
- I Sarah vadiny dia 90 taona ary ambonin’izany dia momba izy.
- Ary ny tena mafy dia efa niandry an-taonany maro ny fahatanterahan’ny fampanantenany izy, saingy tsy nisy na inona na inona nitranga.
Manambara ny Baiboly fa i Abrahama dia « tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra » (Romana 4:20).Ry namako, fotoana hanatanjahanao ny tenanao amin’ny finoana izao. Ny fahavalo dia miezaka manafika antsika amin’ny fisalasalana sy ny fotoana tsy fahampiana fahatokisan-tena.
