Onena anao Andriamanitra
Mety mieritreritra angamba ianao hoe : “Raha izaho no teo amin’ny toeran’Andriamanitra…dia efa nilavo lefona ny amin’ny tenako efa ela aho. Imbetsaka aho no tsy nahomby. Imbetsaka aho no nandositra. Nisy zavatra nataoko izay tsy azoko akory aza.” 😔
Raha izany no izy, dia eo amin’ny toerana teny mety ianao. Eo amin’izay hikirizanao hikarohana ny marina, hitadiavana an’Andriamanitra - na dia eo aza ny tebiteby ao anaty. Ary eo amin’io toerana io mihitsy no hihaonan’Andriamanitra aminao, amin’ny alalan’ny teny ato amin’ny Hosea 11.8 : “Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.” (Hosea 11.8)
Onena anao Andriamanitra. Woww 😮💨
Ary izany fangorahana izany dia mihoatra lavitra noho izay henontsika. Amin’ny teny hebreo, ny teny izay hita amin’ny fandikan-teny sasany dia hoe “rachamim”, avy amin’ny foto-teny “rechem”, izay midika hoe “kibon-dreny”.
Hitanao? Tsy fihetseham-po mampahonena alavitra akory na ranomaso fotsiny. Fa fitiavana lalina, tahaka ny fitiavan-dreny.
Rehefa milaza Andriamanitra hoe : “Onena anao Aho”, dia tena tsapany any anatiny lalina izany. Fitiavana izay tsy mahafoy anao izany!
Izany no antony ilazan’Andriamanitra ao anatin’ity andininy ity hoe : Hataoko ahoana e no fahafoy anao” (Hosea 11.8)
Efa niaina fitiavana toy izany ve ianao ?
Mety tsy mahavita mamela ny tenanao ianao… Fa Andriamanitra dia malahelo - tsy hoe manohitra anao fa momba anao. Satria notiaviny ianao - lalina lavitra noho ny fianjeranao.
Ary hoy Izy : “Raha nanalavitra ianao dia efa hitako. Rehefa nihazakazaka nijery andriamanin-kafa : fiarovana, fahombiazana, fifehezana, fahafinaretana… hitako ianao nanadino Ahy.” Fa Izaho tsy nanadino anao mihitsy.
Miandry fitsarana ve ianao ? Tiako am-pangorahana ianao. Tsy fangorahan’olombelona - fa “rachamim” : fitiavana miboiboika avy ao anatiko lalina. Satria IZAHO dia fitiavana. Ary io fitiavana io dia atolotro anao - rehefa miverina Amiko ianao ary mangataka famelan-keloka Amiko.”
Manaiky hiverina ve ianao ?
Fahagagana ianao !