🌿 🙌🏻 Omano ny lalàna

Ankalazaintsika anio ny fidiran’i Jesosy am-boninahitra tao Jerosalema. Alaivo sary an-tsaina izany! Nisy vahoaka betsaka nitondra sampan-drofia sady niantsoantso mafy hoe: “ Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra” (Matio 21:9).
Tsy isalasalana fa tena fotoana niavaka izany. Tamin’izany fotoana izany, ny voninahitr’Andriamanitra dia tena azo tsapain-tanana ka tsy nahatohitra Azy ny olona : tsy maintsy nanome voninahitra Azy izay tonga tamin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy, ilay Mesia.
Ny herin’izany fotoana izany dia tsy hay refesina amin'ny fihobiana sy ny fiderana an'Andriamanitra intsony : tsy maintsy nanao zavatra hafa izy ireo.
Tsy nanana karipetra mena mendrika ho an'ity Mpanjaka tonga ity izy ireo, fa dia nitaingina ampondra fotsiny Izy mba hitondra fiadanana ho azy ireo. Fa kosa, nanana sampan- drofia maro be izy ireo.
Alaivo sary an-tsaina ny zava-niseho : ny vahoaka iray manontolo no manongotra ireny ravin-drofia lehibe sy tsara tarehy ireny ary nanipy izany teo an-tongotr’i Jesosy!
Eny, teo avokoa izy rehetra, niara-nametraka ny ravina tsirairay ka namorona karipetra tamin'alalan'izany teo anoloan’i Jesosy, mba hanomanana ny lalana handehanany ho any an-tanàna. Tena mahafinaritra ery!
Ry namako, manomàna lalàna ho an'i Jesosy anio! Atolory Azy ny fonao amin'ny fiankohofana vokatry ny fo sy feno fanetren-tena. Mitadiava an’i Jesosy mihoatra noho ny zavatra rehetra ety amin’izao tontolo izao.
Anio isika dia manomboka herinandro manokana mahakasika ny Paska, ary tiako ny hiainantsika tsirairay ireo andro ireo amin'ny fomba miavaka.
Aoka isika hiara-hivavaka hoe: “Misaotra Anao Tompo o, Ilay Mpanjaka mandrakizay tonga hamonjy anay. Lehibe indrindra aminay Ianao ary tianay ny hanome Anao ny voninahitra rehetra. Atolotray eo anatrehanao ny fonay, ka aoka Ianao irery ihany no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonay sy ho ivon’ny fiainanay manontolo. Tarihonao izahay ary fenoy Anao izahay. Ataovy tonga fahazavana ho an'ny hafa izahay! Ampio izahay mba hitarika azy ireo hanatona Anao sy hahita ary hahalala Anao. Mamelà azy ireo ihany koa, ho tafiaraka iray aminay hidera sy hanome voninahitra Anao. Hankalazaina anie ny Anaranao, anio ary ho mandrakizay! Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen!"
Fahazavana eto amin'izao tontolo izao ianao!

