• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 14, 2025

Olona misy fiantraikany tsara

Andro namoahana Aog 14, 2025

Debora koa dia anisan’ny mpaminany manana ny maha-izy azy ao amin’ny Baiboly. Vehivavy mahery raha izay no hamintinana azy, ary niavaka amin’ny fankatoavany an’Andriamanitra ka nahatonga azy ho mpitarika to teny sy nahavokatra. 

Afaka hitantsika ao amin’ny bokin’ny Mpitsara 4 ny tantarany. HIta mazava tsara ao ny vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana. 

Teboka vitsivitsy no afaka tsoahintsika amin’ny tantaran’i Debora:

  • Fankatoavana. Ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra dia iainana amin’ny alalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra. 

  • Fanetren-tena. Ny fitarihana mpanompo dia midika hoe manome lanja ny hafa mihoatra noho ny tenanao. 

  • Herim-po. Tsy mpiady i Debora, fa nandeha niady izy satria fantany fa Andriamanitra no hiady ho azy. 

  • Ny tsy fivadihana. Mitoetra mahatoky amin’ny fotoana rehetra

  • Fiderana. Rehefa nahazo fandresena dia manatitra fiderana an’Andriamanitra ho fisaorana sy fanomezam-boninahitra Azy irery ihany.

Tsy hitanao ve hoe hiova ny tontolo misy antsika raha isika ireto no miezaka sy mitohy manaja ireo teboka ireo? Handeha ataontsika fanamby izany manomboka anio. Tsy hiandry ny hafa isika fa isika mpanaraka ny pejy no hampihatra izany, ka vonona ve ianao? 

Handeha hiaraka hivavaka isika: Jesosy o, fantatrao ny mety fahalemeko sy izay mety ahiahy na tahotro. Maniry ny hankato Anao anefa aho koa mangataka ny Fanahinao Masina aho hanampy ahy isan’andro, ho tonga fitaratra amin’ny manodidina ahy. Misaotra Jesosy fa haiko fa mihaino vavaka ianao. Amin’ny anaranao no hanaovako izany vavako izany. Amen!

Tahiana manokana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.