Ohatra tsara ao amin’i Kristy
Anisan’ny tian’ny olon-drehetra angamba ny mandray fanomezana. Rehefa anniversaire-nao iny ohatra dia fotoana mamy mihitsy ilay manokatra ireo fanomezana sy mijery ireo nomanin’ny olona omena anao. Marina izany sa ahaona hoy ianao?
Ato anatin’ny fikambanana misy anay, dia ny Association Le Miracle Malagasy izany (https://www.facebook.com/LeMiracleMalagasy), dia anisany tena mahita ny hafalian’ireo mpisitraka maimaimpoana ny fampianarana ohatra, ny fibitak’ireo zaza mahazo fanomezana na ireo tanàna novatsiana sakafo sy rano ohatra…..
Fa nefa hoy ny Tompo hoe “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” - Asa 20:35. Efa nahatsapa izany ve ianao? Izaho manokana dia tena mahatsapa izany fahasambarana izany foana rehefa manao ny asa sosialy iandreketanay ato amin’ny fikambanana. Ary tena hiainanay tokoa io teny io.
Dia tiako koa ianao hiaina izany. Afaka miara-miasa aminay ianao ohatra, manamafy isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo, na koa tsotra indrindra dia inoako fa misy olona eo amin’ny manodidina anao eo mila fanampiana, mila tohana, mila na dia ny tsikinao fotsiny aza 🙂 Dia tena hiaina izany fahasambarana izany ianao raha tena ataonao am-pitiavana tokoa. Aza mitady ny ho hita fa ataovy hita amin’ny alalanao ny fitiavan’i Jesosy Kristy ireo olona ampianao.
Handeha ho ataontsika mpanaraka ny pejy ho “challenge”-tsika izany ka hanova ny manodidina antsika isika. Ho ohatra tsara ao amin’i Kristy. Mankasitraka anao sahady.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕